|
|
|
|

Entry1  Vetson' ny Razana
Elementary words  2 vetso, 3 razana
Part of speech  4  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  5  Literature: poems
Author  6 Rasamuel Maurice
Text  7 
1Midona ny oran' Ankaratra,
Vaky tsipelana ny eny Anjafy.
Maitso manombana ny eny Andringitra,
Manjombonjombona Ambohimanoa;
35Sy ny mandevina olo-malala (...)
Irony vero erý ambony fasana
Milenodenoka mora malazo.
Matsoraka mora mipika;
Rehefa midaboka dia mora lo.
5Maizimaizina toa malahelo
Irony rahona eny an-tampon' Imanga;
Manjombonjombona ny zava-boahary
Ka tsaroana ireo havan-dasa;
Fa isika olombelona
40Toy izany isika olombelona
Fa izany no fomban' ny tany.
Irony hazo erý an-tsisim-pasana
Ny tahony, tahon-tsaramanga.
Ny raviny soa pelapelaka.
10Tsy fo vato fa embona,
Ka manembona ireo efa lasa:
Tsy mihinana voamanadino,
Fa misotro voamahatsiahy,
Ka velon-tsento mazàna,
45Ny voany voamahatsiahy.
Koa tsarovy izay efa voalaza ;
Mamoiza izay manana ny maty.
Fa ity tany ity famoiza-malala:
Ny maty tsy mba miverina,
15Fa mahatsiahy ireo efa nafoy.
Mipatrapatraka ny oram-baventy
Ka mipotrapotraka ny ranomaso,
Fa ny don' oran' Ankaratra.
Toa fingadon' Ikaky sy Ineny;
50Na miverina aza tadio
Ary na hita aza dia nofy!
Koa mahaiza manonon-tena.
Ataovy tahaka ny hanin' omby
Ka sady minià no miraoka.
20Ny kotrok' oran' Ankaratra,
Toa feon' ireo efa nafoy
Ka manaitra ny fo malahelo,
Izay nisaraka tamin-dranomaso.
Ny tadio mitambolina raha lohataona
55Namoy havan-tiana ve tsy hitomany!
Fa toy ny rahona ny ranomaso,
Ka rehefa mavesatra izy mirotsaka:
Kanefa andalano ny ranomaso.
Toy ny hahazan-kitay ny alahelo
25No fiverin' ny ambiroan' ny maty;
Fa ny kotroka mingodona ren' ny lavitra
No fitsidiny raha fahavaratra (...)
Inona no zava-mangidy?
Ka ny laingolaingom-paraky:
60Ka ahaverezana isaka ny mandanona:
Toy ny vary an-tsompitra
Ka ahafahana tsikelikely isan' andro.
Fa raha izany no mitotohitra.
Tsy mahavanon-ko olona no farany.
30Ary inona no zava-mafaitra?
Ka ny laingolaingon' amberivatry.
Kanefa tsy ny laingolaingom-paraky no mangidy.
Ary tsy ny laingolaingon' amberivatry no mafaitra,
Fa ny mamoy havan-tiana
65Fa maharatsy ny fahoriana.
Koa sikino ny saina, onony ny alahelo
Fa ny ranomaso tsy mahatana aina,
Ny singambolo tsy mahafehy faty,
Ny vola tsy mahavidy aina (...)

Updated on 2025/11/17